Raha ho - S'il faut quitter cette tente terrestre ...
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
RAHA HO (S'IL FAUT QUITTER CETTE TENTE TERRESTRE...)
Raha ho rava ihany, aky, ny ambain’ny tranolay
Dia hanan-tombondahy ireo nametraka ny anarany
Ho soratra mivaivay
Eo anivon’ny tantarany.
Raha mbola hikoro koa ny rafi-taola-nijoroana
Dia hanan-tombontsoa ireo nametraka ny diany
Ho soratra tsy hadinoina
Eo anivon’ny fisiany.
Raha voatsoka ny anjomara fanangonam-pivahiny
Ho hafa loatra ny fitrangany:
Indray hirodona hanovo sy hameno anjara-siny
Ireo rehetra mahatsiaro ny fisian’ny olo-mangany !
Jean NARIVONY
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet