Hafatra tao amin'ny vohikala - Livre d'or
Guestbook JNarivony - Reportés ici les quelques messages qui le composaient
Firaketana Hafatra JNarivony - Averina eto ny hafatra vitsy tao
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
Andréa Ratsimiseta
04:55 AM on July 02, 2010
Miarahaba anao Tompoko,
Fifaliana ho ahy ny milaza aminao fa nivoaka ny site vaovao momba ny Jean Narivony:
http://jean-narivony.com
Misaotra anao be dia be amin'ny site nataonao.
hoy Andréa Ratsimiseta, zafikeliny
***
naivotiana
01:53 AM on June 29, 2010
A new site member ,
has joined this site !
Good luck
Amitiés
08:20 AM on June 18, 2007
Bonne continuation
***
Madamanja
08:38 AM on June 13, 2007
Misaotra fa haren-tsaina lehibe tokoa no jaraina
***
RAMANATANTARA
05:13 AM on April 01, 2007
Ho fanomezana voninahitra ny mpanoratra, ny mpampianatra izay nanome anay ireo fototry ny HASINA MAHA-OLONA mba hampijoro eo amin'ilay tany fandalovona ity.
***
RAMANATANTARA
05:10 AM on April 01, 2007
En hommage à l'homme, au génie, à l'éducateur qui nous a appris des valeurs humaines qui nous a forgées.
Any aho any, any ho any ‘zay lay havako
Manina azy any aho, ilay olo-malalako
Iza re, iza re no hafarako, teny fohy hoe:
"Malahelo ka vangio
Malahelo anie aho ka mba tsiditsidiho"
Miova loko ‘zay jereko raha lavitra anao
Ny alahelo anie mba atero k’alao
Manina aho anio kanefa tsarovy
Tsarovy fa ampitso ihany ianao
Mety hizaka vetsovetso mitovy….(Any ho any...)
Naly RAKOTOFIRINGA
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Fahazoana andro - Jour de repos - Vacation day
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
FAHAZOANA ANDRO
Ry ala, ry havoana, ry ranomasimbe,
Izay feno fifaliana sy revon-tabataba,
Mba raiso ny ankizy te-hiala sasatra e
Maniry hiombon-kira ka dia miarahaba,
Injany antsoantso, deliram-pifaliana,
Mandriatra ny habakabaka, manako ao an-ala
Indreny ireo kilonga, tsy manam-panahiana
Mameno tora-pasika tahaka ny valala.
Tsy misy tsy tsarovany ny kilalao rehetra
Manampy izay foroniny, ka lany foana ny andro
Na efa vizana aza tsy mety mba hitoetra
Midaboka ao an-drano, mikorotaba mandro.
Jean NARIVONY
***
VERSION FRANCAISE
JOUR DE REPOS
(Jour de permission)
O forêts, collines et océans,
Domaines de joies et de bruits,
Venus se détendre, les enfants
Se joindre à vos liesses, vous saluent.
Dans la forêt, les échos des délires de joies, des cris,
Déchirent la voûte céleste
Telles des sauterelles, voici les enfants, sans soucis,
Venus coloniser les plages de sable.
Le temps s'envole : tous les jeux y passent
Sans oubliés ceux qu’ils inventent
Même fatigués, point d’arrêt
Pour se jeter à l’eau, crier et nager.
Traduction RAMANATANTARA, Paris, 31/03/07
ENGLISH TRANSLATION
VACATION DAY
O forests, hills and oceans,
Domains of enjoyments and noises,
Come relax, the children
To join your jubilation, greet you.
In the forest, the echos of the frenzies of enjoyments, shouts,
Tear the sky
Some of the grasshoppers, here is the children, carefree,
Come colonize sandy beaches.
The time flies away: all the games pass there
Without forgotten those whom they invent
Even tired, stop point
To throw itself in the water, shout and swim.
Translation by RAMANATANTARA, Paris, 03/04/07
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Mpiasa tany - Agriculteurs - Farmers
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
MPIASA TANY
Izahay izao no mpiasa tany
Mpandao tanàna vao maraina,
Ka maizim-bava ny vilany
Vao mody indray manonitra aina.
Ny fiasana na birao
Dia mora hita ka tazano
Tsy misy rindrina natao
Ny lanitra no tafon-trano.
Ny boky na ny taratasy
Dia efa fantatrao angaha,
Ilay ngezabe tsy taka-basy :
Tanety sy ny lohasaha.
………………………………..
Dia manatsatoka mihoitra
Mamadi-bainga makadiry
Raha misy ahitra mipoitra
Tombohina fandrao maniry.
Ny laina manko dia resena,
Fadina koa ny hakiviana
Hariva , sasatra ny tena,
Vao mba manembona fodiana.
Jean NARIVONY
***
VERSION FRANCAISE
AGRICUTLTEURS
Agriculteurs, pour la terre travaillée;
A heure matinale, le village nous quittons;
Dans la nuit noire, nous rentrons
Pour nos forces, régénérer.
Le travail ou bureau
Aisément cela se voit;
Point de murs pour le nôtre,
Le ciel, notre toit;
Livres et papiers,
Déjà vous le saviez,
Incontournable immensité:
Plaines et vallées.
.........................................................
Et bêchons, retournons
Le sol par grosses mottes,
Et coupons, enfouissons
Des herbes par bottes.
La paresse est à fuir,
Le désespoir à bannir,
Le soir, épuisés,
Aspirons au foyer.
Traduction RAMANATANTARA, Paris, 31/03/07
ENGLISH TRANSLATION
FARMERS
Farmers, for the worked ground;
In early hour, the village we leave;
At night black, we bring in
For our strengths, regenerate.
The work or the office
Easily it sees itself;
No walls for ours,
The sky, our roof;
Books and papers,
Already you knew it,
Inescapable unlimitedness:
Plains and valleys.
………….
And let us be toffee-nosed, let us turn
The ground by big clods,
And cut, let us bury
Spices by boots.
The laziness is to be avoided,
The despair to be banished,
The evening, exhausted,
Let us aspire to the home.
Translation by RAMANATANTARA, Paris , 03/04/07
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Voninkazo - Fleurs - Flowers
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
VONINKAZO
Vao mitranga ny maraina
Dia mitsiky sy homehy
Fa mamantan-jaridaina
Feno hatsaran-tarehy.
Fofomanitra tsy lefy
No mamerovero soa
Voninkazo tsara fefy
Indreo mivelatra avokoa.
Tazana ao ny violety
Te-hiafina ao ambany
Voninkazo tsy mirenty
Nefa manitra aok’izany.
Pika mavo, fotsy, mena,
Samy maha-te-hijery
Samy toa manaja tena
Nefa samy tsisy miery.
Vonindraozy bakobako
Ilay voakolo sy voakaja,
Manana endrika malako
Ka tsy lainga fa mihaja.
Jean NARIVONY
***
VERSION FRANCAISE
FLEURS
Dès le lever du jour,
Tout sourire et joies
Face à un jardin
Renfermant des beautés,
De parfums éternels
Embaument, dégagés
Des jolies fleurs alignées.
Voici toutes écloses
Violettes abritées au ras du sol,
Fleurs discrètes;
Pourtant aucune n’est cachée;
Et quel parfum !
Œillets jaunes, blancs, rouges;
Toutes belles à regarder,
Toutes respectables.
Belles roses
Au beauté durable,
Entretenues et soignées,
Et il est vrai, respectables.
Traduction RAMANATANTARA, Paris, 31/03/07
***
ENGLISH TRANSLATION
FLOWERS
From the day rise,
Any smile and enjoyments
In front of a garden
Containing beauties,
Of eternal perfumes
Smell, loosened
Attractive aligned flowers.
Here is quite hatched
Violets sheltered level with the ground,
Discreet flowers;
Nevertheless nobody is hidden;
And what a perfume !
Yellow, white, red eyelets;
Quite beautiful to look,
Quite respectable.
Beautiful roses
In durable beauty,
Maintained and looked,
And it is true, respectable.
Translation by RAMANATANTARA, Paris, 03/04/07
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Ny lambanao - Your lamba (Malagasy traditional Toga) - Ton lamba
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
NY *LAMBANAO
Naninona e ny lambanao
No toa navela, moa tsy tiana ?
Angaha nahita randram-bao,
Ka ny maneva no nariana ?
Ny lambanao ampitahaina,
Dia toy ny zavon-dohasaha,
Izay tinafin’ny maraina,
Ka meva maha-te-hizaha,
Na toy ny rahom-bohavoha
Manotrona ny fenomanana,
Ataovy voaly saron-doha
Raha vao miseho eny atsinanana.
Ny lambanao dia toa tatamo,
Ka reharehan’ny kamory
Jerena tsy mba mahakamo
Ka zary nofy raha matory.
Jean NARIVONY
VERSION FRANCAISE
TON LAMBA*
*Toge traditionnelle malgache
Pourquoi as-tu délaissé ton lamba ?
Ne l’apprécies-tu pas ?
Séduite par autres façons de se parer,
As-tu bandonné ce qui te sied ?
S’il faut comparer, ton lamba
Tel le voile brumeux
Des vallées matinales,
Magnifique, retient les regards.
Ou telle la voie lactée
Accompagnant la pleine lune,
Dans l’orient, à son lever,
Couvre la tête avec ce voile.
Ton lamba, tel un nénuphar,
Fierté des lagunes
Belle à regarder,
Demeure dans nos rêves.
Traduction RAMANATANTARA,Paris, 31/03/07
ENGLISH TRANSLATION
YOUR LAMBA*
* Malagasy Traditional Toga
Why did you abandon your lamba ?
Do not you appreciate it ?
Seduced by the other manners to adorn itself,
Have you bandonned what becomes to you ?
If it is necessary to compare, your lamba
Such veils it foggy
Morning valleys,
Magnificent, retains the glances.
Or such the Milky Way
Accompanying the full moon,
In the east, in its rise,
Cover the head with this veil.
Your lamba, such a water lily,
Pride of lagoons
Beautiful to look,
Housein our dreams.
Translation by RAMANATANTARA, Paris, 03/04/07
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Ny Tia sy ny Manina - Lover and Beloved - Les Amoureux
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
NY TIA SY NY MANINA
Rehefa mihaona ny tia sy ny manina,
Omena seza mba hisonanina,
Rosoana sakafo, tolorana hanina,
Satria mpanambady ka ampiadanina.
hatramin'izao izy ireo dia mpivady
Voatana kofehy, voagadran'ny tady
Ka tsy afa-mihenjy na hoe "mibalady".
Ny tia manko resy, ny manim-boafady.
Kanefa tsy "gadra" mitohy falafa,
Mivimbina daba, milanja kofafa,
Manao asa an-tery tsy afa-mitafa,
Fa gadram-pitiavana kosa ka hafa.
Ny tia sy ny manina mantsy ka babo
Kanefa tsy babo tsy misy mpitsabo
Na babo mijaly totofana jabo,
Fa bobom-pitiavana roa mifamabo.
Rehefa mihaona ny tia sy ny manina
Asaina milahatra mba ho tazanina,
Ka na atrehina na sompiranina,
Deraina fa meva tsy misy hokianina.
Ny olo-manatrika samy mihoraka;
Ny lohan'ny mpialona kosa mivoraka,
Ireo tsy mba faly maniry hitoraka,
Izay diso tetika dia mivaroraka !
Ny tia manko tsara, ny manina "raitra"
Ka he mianjonanjona fa mba tsy taitra.
Galona, lopotra ka samy tsy laitra;
Fitia mifandanja fa tsy mba haitraitra.
Fitsofana rano no atao vary raraka,
Hateza roritina ka tsy hisaraka.
Dia roahina hody tsy misy arakaraka
Fa samy azon'ody k'avela hiaraka
Jean NARIVONY
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Aza mitsipaka - Respectez vos parents
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
AZA MITSIPAKA LAKA-NITANA*
* Maxime malgache
Tsarovy , sakaiza, ny ray aman-dreny
No tsy mba mihevitra izay fanimbana
Tsy diso tsy akory ny zava-kendreny,
Satria fitsinjovana izay hiafarana
Tsy misy tsy tsara ny anatra omeny
Ka aza maditra rehefa rarana
Ataovy tontosa ny valim-babeny
Fadio ny mitsipaka laka-nitana.
Jean NARIVONY
***
VERSION FRANCAISE
(*Lit. Evite de donner un coup de pied - shooter - dans la barque qui a servi à ta traversée = Maxime malgache)
RESPECTEZ VOS PARENTS
Compagnon, souviens-toi de tes parents
Dont les pensées sont loin de détruire,
Le projet proche de la vérité,
Prévoyant l’avenir,
Leurs enseignements sont judicieux.
Ne persiste pas vers des comportements défendus,
Manifeste ton respect,
Evite de les ignorer.
Traduction RAMANATANTARA, Paris, 31/03/07
***
ENGLISH TRANSLATION
RESPECT YOUR PARENTS
(*Lit. Avoid kicking - to shoot - in the boat used to your crossing = Malagasy Maxime)
Companion, remember your parents
The thoughts of which are far from destroying,
The project close to the truth,
Planning the future,
Their educations are sensible.
Do not persist towards forbidden behavior,
Show your respect,
Avoid ignoring them.
Translation RAMANATANTARA, Paris, 03/04/07
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Fo rano mafana - The anger, a bad adviser. - Le coeur est traitre
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
FO RANO MAFANA
Maninona re no dia mora sendaotra
Tahaka an’izao,
Ka tonga mandefa fiteny mihoatra
‘Zay tsy mba fanao !
Ny fahatezarana anie ka vavana
Sy ratsy fanoro.
Ny fo misafoaka dia rano mafana
Ka mety mandoro.
Kanefa, tsarovy, ny tompony ihany
No indro fa may :
Rehefa mandinika ilay hadalana,
Manenina indray !
Jean NARIVONY
***
VERSION FRANCAISE
LE CŒUR, TEL DE L'EAU CHAUDE*
* Maxime malgache
Pourquoi s’emporter si aisément ?
Sortir des mots dépassant les limites
Du possible ?
La colère est bavarde,
Mauvaise conseillère.
Le cœur emporté, telle de l’eau chaude
Peut brûler !
Rappelles-toi, c’est toujours le propriétaire
Qui s’y brûle,
Tenaillé par le regret,
Après mûre réflexion sur la sottise !
Traduction RAMANATANTARA, Paris, 31/03/07
***
ENGLISH TRANSLATION
HEART SUCH SOME WARM WATER *
* Malagasy Maxime
Why become enraged so easily ?
Take out words exceeding the limits
Of the possible !
The anger is talkative,
Bad adviser.
The taken heart, such some warm water
Can burn !
Remember yourself, it is always the owner
Who burns there,
Tormented by the regret,
On second thoughts on the silly thing !
Translation by RAMANATANTARA, Paris, 03/04/07
Transfert du siteweb Mis en ligne le 31,04,2007: Jean NARIVONY Mpampianatra sy Poeta malagasy – Madagascar – Instituteur et Poète malgache
Jean NARIVONY (1898-1980) Mpampianatra Poeta malagasy - MADAGASCAR - Primary school teacher - Malagasy Poet
Awakening in the FUNDAMENTAL VALUES - Eveil aux VALEURS FONDAMENTALES - ©Helys, 2007 - 2013
Raha ho - S'il faut quitter cette tente terrestre ...
helys © , all rights reserved 2001, 2013 - helys © , tous droits réservés 2001, 2013 ~ Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.
RAHA HO (S'IL FAUT QUITTER CETTE TENTE TERRESTRE...)
Raha ho rava ihany, aky, ny ambain’ny tranolay
Dia hanan-tombondahy ireo nametraka ny anarany
Ho soratra mivaivay
Eo anivon’ny tantarany.
Raha mbola hikoro koa ny rafi-taola-nijoroana
Dia hanan-tombontsoa ireo nametraka ny diany
Ho soratra tsy hadinoina
Eo anivon’ny fisiany.
Raha voatsoka ny anjomara fanangonam-pivahiny
Ho hafa loatra ny fitrangany:
Indray hirodona hanovo sy hameno anjara-siny
Ireo rehetra mahatsiaro ny fisian’ny olo-mangany !